Nogejaina ny kontenera ciment sy vy fa tsy nety nampiakatra vidin'entana ilay mpanafatra entana

  • mercredi, 12 octobre 2022 13:22
  • Super User

Ny ladoany dia mametraka tombam-bidy isaky ny entana miditra, indrindra ny PPN sy ny fitaovam-pamokarana, fiara ary fitaovana fanamboarana trano sy fotodrafitrasa.

Latsaka ambanin'ilay vidy napetraka hitataovana hetra anefa ny ciment sy vy nafarana, ka noterena hanao fanambaràna amin'ny vidiny ambony ity mpandraharaha.

Tsy nanaiky ity farany satria misy fakitira, izay mifanaraka amin'ny vola nivoaka ny banky ny entana, ary fantany fa raha ampiakarina ny vidin'entana dia hiakatra ihany koa ny amarotana azy amin'ny mpanjifa.

Navoaka ny seranan-tsambo ny kontenera fa tsy nety anala ny plomb ny ladoany fa mbola gejaina ny entana.

Mametram-panontaniana ny mpandraharaha maro ny hoe, ny fanjakana indray ve izany no te hampiakatra ny vidin'entana, ahazoany hetra sy vola maro kokoa, na dia hiafara amin'ny fidangan'ny vidim-piainana, izay ny mpanjifa hatrany no tratra farany.

Mirary soa e
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.