Resaka WC lay raha

  • mardi, 04 octobre 2022 22:24
  • Super User
  • Sary nindramina fampihaingoana

2500 miditra ao amin'ny WC ny olona iray isan-taona raha ny fanadihadiana natao. in-6 ka hatramin'ny im-balo eo isan'andro. Izany hoe 3 taona ao amin'ny WC mandritra ny fotoana iainan'ny olombelona iray.

Manatombo ny faharetan'ny vehivavy ao noho ny lehilahy. Raha 2min33sec hatramin'ny 3min ny vehivavy, dia 1min24sec - 1min53sec kosa ny lehilahy.

Mbola ny salanisa nanaovana fanadihadiana ny taona 2016 anefa dia 13% n'ireo olona nadihadiana no nijanona 5min, raha 32% teo amin'ny 5min - 20min, ary ny 55% kosa nihoatra ny 20min isaky ny mandeha ao amin'ny toerana fanariana maloto na WC.

Mibahan-toerana eo amin'ny fiainan'olombelona izany ny WC, ka tsy tokony atao ambin-javatra na maloto na feno fofona.

Mila ezaka ny Malagasy hanana WC ara-dalàna sy tsy ariana anaty 101 lavaka izay mitsika any anaty rano fisotro ny diky.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Sary nindramina fampihaingoana)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.