Mianara tantara

  • jeudi, 08 septembre 2022 08:31
  • Super User
  • Sary nindramina

Fahiny tamin'ny andron'ny Faraona tany Egypta, dia niravaka nanemotra ny rindrim-pasana, na pyramide, ny volamena.

Mitazona eo an-tratra lefona vy kosa ny mpanjaka nodimandry.

Ny volamena tokoa manko no hita talohan'ny vy, ka saro-bidy kokoa izany ny vy, ka ny volamena mora vidy, no natao temotra rindrina, fa ny vy saro-bidy no lasa noravahina.

Taty aoriana vao hita fa maro sy mitobaka kokoa ny vy, noho ny volamena, ka nanjary saro-bidy sy lafo noho ny vy indray ny volamena.

Tamin'ny andron'ny Faraona moa efa nikiraro ny olona, ary efa natsaka tanaty vovo, efa nahay nanamboatra lalana sy trano miezinezina.

Isika Malagasy mbola ampianarina, ary mbola mankalaza andro iraisam-pirenena amin'ny fanasana tanana, mbola betsaka ireo tsy mikiraro, ny 75% mbola tsy misotro rano madio avy any anaty vovo.

Tara 2000 taona isika izany, ka ho gaga ve raha nosoloina bolongam-by, izay saro-bidy kokoa amin'ny fotoan'androtsika 2000 taona lasa, ny volamena tao anaty coffre Minisitry ny harena an-kibon'ny tany?

Na ny Praiminisitra nisolo toerana vonjimaika ny minisitry harena an-kibon'ny tany aza, tratran'ny masobe tsy nahita, fa namiratra teo imaso ity bolongam-by saro-bidy.

Soava ny andro e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.