Ahiana hiaka-pidy ny Lafarinina

  • vendredi, 02 septembre 2022 19:46
  • Super User

Mametraka fanahiana ireo mpanafatra PPN, indrindra fa ny lafarinina, satria araky ny fomba fanao eo anivon'ny fadin-tseranana, dia misy fihaonana eo amin'ireo mpanafatra entana sy ny ladoany, hamaritana ny vidiny ametrahana ny fitataovana hetra, na ny valeur concertée.

Mandritra izany fihaonana izany no hilazan'ny mpanafatra ny vidin'ny entana hafarany, ary eo koa ny ladoany no mamaritra ny teti-bidy farany ambany ekeny isaky ny vokatra sy entana hafarana, ka dia amin'izay teti-bidy voafaritra izay no hakana ny haba.

Mazava ho azy, fa tataovan'ny mpandraharaha mpanafatra entana amin'ny masokarena, izay mihatra amin'ny vidin'ny entana izany hetra sy haba izany.

Miahiahy arak'izany ireto mpanafatra lafarinina, fa te hampiakatra ny haba sy hetra tataovana amin'ny lafarinina indray ny fadin-tseranana izay mampiantso fihaonana eo amin'ireo mpanafatra entana sy ny fanjakana ny zoma 09 septambra 2022 ho avy izao.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.