Dia lasa tsy nanao veloma ve ?

  • mardi, 30 août 2022 08:11
  • Tigre
  • Sary nindramina

Fantatra fa tsy eto an-toerana ankehitriny ny ambasadaoron'i Frantsa Christophe BOUCHARD, ary efa fantatra ny andimby azy M. Arnaud GUILLOIS, conseiller des affaires étrangères hors classe, araka ny fanendren'i Lafrantsa azy ny 19 aogositra 2022.

Ny fombafomba diplomatika moa dia tonga miarahaba, mametraka ny taratasy fanendrena izay efa ankatoavin'ny Firenena mpandray, ary rehefa hanainga kosa, raha tany milamina sy fifandraisana nilamina, dia mampilaza ary manao veloma.

Raha ny akom-baovao moa dia nihaona tany Lafrantsa ny Filoha malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, izay samy tsy nisy nanao fampahafantarana mialoha an'izay fihaonana izay.

Azo antoka fa tsy maintsy tao anaty lahadinika ny toeran'i Madagasikara mahakasika ny ady any Ukraine, satria ny Amerikanina ihany koa dia efa manavaka ireo Firenena Afrikanina tsy miroso mazava amin'ny fanamelohana an'i Rosia amin'izao ady hifandonan'izy roa tonta izao.

Soava ny andro e.
Patrick

(Sary nindramina, M. Arnaud GUILLOIS, ambasadaoro vaovaon'i Frantsa eto Madagasikara)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.