Nahoana no tsy ampitoviana ny zaza malagasy mandeha mianatra

  • mercredi, 24 août 2022 22:10
  • Super User

Milaza mazava ny Lalampanorenana :

Andininy 24.- Mandamina fanabeazam-bahoaka maimaimpoana sy takatry ny rehetra
hidirana ny Fanjakana. Ny fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataon’ny rehetra.

Raha atao teny mahitsy izany, dia hiantohan'ny fanjakana feno ny fampianarana rehetra hatreo amin'ny kilasy T9 na 3ème, satria nataony hoe tsy maintsy ary mamimaimpoana.

Ka na mpianatra amin'ny sekolim-pajakana io izany, na mpianatra eny amin'ny sekoly tsy miankina dia adidin'ny fanjakana ny miantoka farafaharatsiny ny fitaovam-pianarana itovian'ny rehetra.

Ny saram-pianarana eny amin'ny sekoly tsy miankina kosa, safidin'ny Ray aman-dreny iny, na izany aza anefa, noho ny tsy fahampian'ny toerana eny amin'ny sekolim-panjakana, dia voatery mampianatra zanaka eny amin'ny tsy miankina ny ray aman-dreny, nefa ny fanjakana no tsy nahavita ny adidiny, nanangana sekoly sahaza ho an'ny rehetra.

Tsy ara-dalàna izany ny fitakiana droit d'inscription eny amin'ny sekolim-panjakana hatramin'ny ambaratonga voalohany.
Tsy ara-dalàna ny fitakiana vola amin'ny Ray aman-dreny ny vola omena FRAM. Andraikitry ny fanjakana ny miantoka ny vola ampandehanana ny sekoly.

Resabe hatrany izany ny teny hoe fitsinjovana ny madinika, nefa ny madinika ampandoavina vola ampianaran-janaka, ny madinika mandoa avo folo heny vidin-drano, sady milahatra amin'ny 2ora maraina.

Ampianaro ny zaza mba tsy atakalon'ny mpanao politika koveta sy vilany, ary vary tsy mahatody iray volana dia mifidy azy indray, arahiny tsinjaka vody sy laweky fampanantenana jiaby io.

Bonne nuit nareo.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.