Pilo kely atoandro : Voan'ny fitiavana Rugby ilay boykely

  • lundi, 22 août 2022 10:41
  • Zakaria

Nisy roalahy mifanipy passe passe tavoahangy eau vive, solona baolina lavalava rugby, eny amin'ny trottoir.

Nifanena tamina tovolahy mitondra kitapo kely.

Na passe n'izy ireo ambony tamin'ilay boykely ilay tavoahangy, dia sady nitsambikina ilay tovolahy kely nanakatra ilay solona baolina, mandram-pitehany tamin'ny tany, dia efa voafira antsy maranitra ny tahon'ilay kitapo kely teny aminy, ka ny tavoahangy eau vive tsisy ininona no voaray, fa ny kitapo lasan'iretsy roalahy nirifatra.

Lasa ny vola kely sy finday tao anaty kitapo.

Mba mailo fa crane be ireo mpanendaka zao.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.