Kopa-tanana mandritra ny fisafoana andian-tafika

  • dimanche, 26 juin 2022 22:35
  • Super User
  • Sary nindramina

Samy manana ny safidiny moa ny Filoham-pirenena.

Fa ho anay efa nanao Miaramila, na dia ivelan'ny Tafika aza, Service National Hors force armée, dia zava-dehibe ny fifantohana rehefa misafo andian-tafika ny lehibe.

Fotoana iray iny anehoan'ny lehibe fa izy no tompon'ny fibaikoana, ary manaja ny olombelona eo ambany fiadidiany izy amin'iny.
Mifanome voninahitra isaky ny andiany, izay mitazona ny Sainam-pirenena sy ny Saina fanevan'ny Andiany.

Ahondriky ny lehiben'ny andian-tafika eo ampandalovan'ny Lehibe manao fisafoana ny Sabatrany, hilazany fa manaiky ilay lehibe manao fisafoana ny andian-tafika baikoany.

Tokony hiavaka tanteraka izany ny fisafoana andian-tafika sy ny fiarabana, manofahofa tanana vahoaka.

Fahaleovantenam-pirenena no ankalazaina, miaraka amin'ny fetin'ny Foloalindahy.
Tokony ny maha Malagasy antsika tanteraka aloha izany no nanombohana ny lanonana fa tsy fibaikoana teny sinoa, avy eo hetsika amerikanina, narahana dihy sy mozika vahiny.

Azo notanterahina ireny, aorian'ny Matson'ny Foloalindahy, ka tafiditra anaty lanonana fanaovana fety.

Ny fisian'ny mpiandry manokana, na garde de corps, mandritra ny fisafoana andian-tafika, dia maneho tsy fitokisana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Lehiben'ny Tafika, satria iza moa no iankinana amin'ny fandriam-pahalemana raha tsy izy ireo no sangany amin'izany.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.