Filazam-baovao nivoaka ny 30 jolay 2020
- vendredi, 24 juin 2022 21:33
- Super User
Tetikasa FlyOver: hatomboka amin’ity taona ity ny asa etsy Andohatapenaka/Ampasika sy ny etsy Anosizato
Notapahana mandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa hatomboka amin’ity taona ity ny fanaovana ireo FlyOver na teteza-mihantona ambony kihon-dalana miisa roa, dia ny etsy Andohatapenaka/Ampasika, sy ny etsy Anosizato.
Hanome famatsiam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ho entina amin’izany ny BADEA na ny Banky Arabo ho amin’ny Fampandrosoana aty Afrika, ka ny famatsiam-bola anatiny no ho entina manomboka ny asa, ary ny famatsiam-bola avy amin’ny BADEA kosa no handray ny tohin’ny asa.
Fampindramam-bola mandritra ny 30 taona izy io, ary amin’ny zana-bola ambany 1%, ary afaka 10 taona vao hatomboka ny famerenana azy.
Ao anatin’izany ny fanaovan-dalana mirefy 8km sy ny fanamboarana ireo tetezana. Mbola mety hitombo io famatsiam-bola io araky ny fizotry ny fifampiresahana amin’ny BADEA.
Tafandria mandry aby, aza mihesona loatra.
Patrick
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.