Ny teny hoe "Fanampiana" no niverimberina indrindra tamin'ity fitondrana ity

  • jeudi, 05 mai 2022 23:14
  • Super User

Miandrandra "Fanampiana" avy any ivelany, mba ahafahana manome "Fanampiana" ireo traboina, ireo mpampianatra Fram, ireo mpanao fanatanjahantena, ireo mahantra vokatry ny Covid-19.

Fanampiana ny teti-bolam-panjakana avy amin'ireo "MPAMATSY" vola (aide budgétaire)

Fanampiana ho an'ny Jirama sy mpamatsy solika, tafiakatra 1 miliara ariary latsaka.
Fanampiana ireo kaominina sy Fokontany (Subvention).

Fanampiana ireo mpitandro ny filaminana.

Dia fitondrana "fanampiana", fa tsy firenena mamokatra, sy mihary ny mponina ao aminy, ary teti-bola voafaritra no atao, fa dia na Fanampiana manokana avy amin'ny Filoham-pirenena, asa vola avy aiza koa no ananany ireny vola be lazainy fa azy manokana anampiana ireny, ny karamany rahateo tsy misy mahalala, ary iniana afenina mihitsy, na Fanampiana avy amin'ny fitondram-panjakana (Fanjakana misy teny hoe Mpanjaka).

Misaotra ny Mpanjaka manampy e.

Ny Gasy rahateo faly, "iny mba manampy anay sy mitsinjo anay e".
Adinony fa izy no miasa, mandoa hetra, ka ny 3 andro, alatsinainy, talata, alarobia, hiasany ho an'ny Fanjakana (Mpanjaka), ary ny 2 andro ambiny alakamisy sy zoma no hany entiny mody amelomany ny vady aman-janany, ary hiandrasany "Fanampiana" avy amin'ny Fanjakana (Mpanjaka).

Tafandria mandry e
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.