Vaky siny kely : Nahatratra 1.9 milliards ariary ny fandoavam-bola lelavola tamin'ny fitantanana ny ady Covid-19
- mercredi, 27 avril 2022 19:32
- Super User
Araka ny tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, dia lasa fanao tamin'ny fitantanana ara-bolan'ny ady tamin'ny valanaretina Covid-19, ny fandoavana tamin'ny alalan'ny lelavola mivantana, espèce, fa tsy natao chèque na virement bancaire, izay takian'ny lalanan'ny fitantanam-bolampanjakana, araky ny andininy faha 6 amin'ny didim-panjakana 2004-319, mamaritra ireo fepetra fandoavam-bola ho an'ireo mpamatsy entana na servisy ho an'ny fanjakana.
Nahatratra 1.9 milliards ariary izany ho an'ny fakitira fandoavam-bola 56 monja.
- Ny TASK FORCE no nomena lelavola 541 400 000 ar ho ana Bon de décaissement 12 ;
- Telma nahazo 200 000 000ar, natao lelavola ;
- Restauration, amina fakitira 3, dia nomena lelavola 49 040 236,8ar
- La Sakaf' nandoavana lelavola 6 233 092.00ar ho ana fakitira tokana.
Tafandria mandry e.
Patrick
(Loharano : Tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022)
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.