Vaky siny kely : Aiza ny Bianco sy ny PAC amin'itony tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty itony

  • mardi, 26 avril 2022 22:14
  • Super User

Nanao tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, mahakasika ny fitantanana ara-bolan'ny ady tamin'ny valanaretina Covid-19.

Tsy mila mandeha lavitra akory, fa vao mamaky ny fanoroham-pejy, dia efa mahita tsy fahatomombanana mihavosa tamin'ny fitantanana.

Aiza ny Bianco sy ny fitsarana miady amin'ny kolikoly PAC, izay manana fahefana mandeha tsy voizina, tsy miandry mpitory, na autosaisine, rehefa misy fofompofona kolikoly na fanodikodinam-bola fotsiny.

Ity tena rafi-pitsarana momba ny fitantanam-bolampanjakana no manondro mazava ireo tsy nanara-dalana, na ireo kolikoly, na ireo fanodikodinana mihitsy ny vola entina miady amin'ny Covid-19, toa zaham-potsiny.

Rehefa iza dia maika ery ny PAC anadoboka olona, sa efa lany fetrandro fiasana, mandat, nanomboka ny fiandohan'ny taona ka dia atsipy amin'ny hafa ny vomanga mahamay.

Vaky siny kely eto, ka raraka ny rano.
Tafandria mandry
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.