Taiza tsara hoe ilay fihaonana tamin'ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena

  • mercredi, 20 avril 2022 22:10
  • Zakaria

Voalaza foana manko fa tao Washington DC no nihaona ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena ary ny tale Jeneralin'ny FMI.

Malalaka be manko izany Washington izany.

Sarotiny dia sarotiny amin'ireo tsy vita vakisiny Covid-19 manko ry zareo Amerikanina, ka manidy varavarana mihitsy ho an'ireo tsy vita vakisiny.
Hatreto ny Filoha nilaza fa tsy nanao vakisiny ary tsy hanao vakisiny Covid-19.

Ka mampametraka fanontaniana ihany hoe taiza izany no nihaona. Mety tsy dia misy dikany ny toerana nandraisana, na taiza io na taiza, na fotoana fohy ihany aza ny fihaonana.

Rehefa mijery ny tatitra ao amin'ny tranonkalan'ny Banky iraisam-pirenena dia manindry mafy ny fanaovam-bakisiny, izay antoka ampandrosoana ny fizahan-tany, ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena, manamafy, fa mila mangarahara ny fitantanana, ny ady amin'ny kolikoly, ny fialana amin'ny fifanarahana ara-barotra amin'ireo mpamokatra herinaratra izay midangana ka manavesatra ny fandaniana amin'ny teti-bola.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.