'Zaho irery no tao anaty tsena Kaominina Behoririka

  • mercredi, 09 février 2022 22:57
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Mila mandinika ny ampiasana ny vola, sy izay fotodrafitrasa mifanentana amin'ny filan'ny mpiantsena sy ny mpivarotra, ny eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Mora ny milaza hoe, ny arabe an'ny fiara, ny trotoire an'ny mpandeha an-tongotra, ary ny tsena ho an'ny mpivarotra.

Toerana 1m² kosa ve no omenao azy, raha 9m² no fenitra elanelana ahafahan'ny olombelona iray miaina, iza no mpividy hiakatra 4ème étage, raha entana toy ireny eny an-tsena ireny no amidy.

Raha jerena ny Center eo akaiky eo, mpivarotra informatique, dia miakatra any amin'ny 4ème étage tokoa ny olona, satria box mahafinaritra no hita, ka tsy re akory ny fiakarana tohatra, fa dia mitety ireo box fivarotana ny tena.

Fa ity an'ny Kaominina, vao miditra ianao, dia efa te hilefa andositra, korotan-kazo teritery no miandry anao.

Ekena fa mila fandaminana, ary betsaka koa ireo mpivarotra tsy te hanaraka ny lamina, nefa mila jerena ny fiaraha-monina, ny toerana asiana ny fiara, parking eo Antananarivo Renivohitra, izay mampikaikaika ny maro.

Mila arindra, amin'ny fanamboarana ny fotodrafitrasa, ny Tsena, satria ny Omby sy ny Tsena dia azo atao hoe vakoka malagasy, tsy misaraka eo amin'ny fiaraha-monina hatrizay fahagolan-tany izay.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.