Faceboobaka lasa mofo dipaina, mifintina tsy miova vidy

  • mardi, 18 janvier 2022 20:11
  • Super User

Mitovy amin'ny mofo koa ry Telma sy Orange zao, tsy miova ny vidiny, fa ny lanjany mifintina hatrany, aiza ka ry facebobaka 500Mo nifintina vaky sasaka 250Mo amin'ny vidiny 500ar ampiasaina 3andro.

Nefa ny an'olona any ivelany ny internet efa tapitra misy gratuit daholo izay toerana rehetra aleha, ny ao an-trano mahazo chaine télé efa 250 mahery miampy Gros débit 1min mahavita mi télécharger film iray, nefa 18euro (77 000ar = 385 000Fmg) dia efa mahazo iray volana, nefa eto amintsika 189 000ar (945 000Fmg) ny mora indrindra amin'ny internet mbola sokatra be.

Tafandria mandry aby, fa vao avy koa ny orana dia mangatsiaka koa ny internet.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.