Ny teleferika, toy ny sarety alohan'ny omby

  • mardi, 14 décembre 2021 20:01
  • Super User

Androany ny ONE vao haka ny hevitry ny vahoakan'Antananarivo, raha efa voasonian'ny Filoham-pirenena tamin'ny 20 septambra 2021 ny fitrosana izany vola izany tamin'ny Frantsay, sady natao tsy re tsaika, indray andro dia vita, tsy ny Malagasy rehetra mpandoa trosa koa amin'io no anontaniana ny heviny fa ny vahoakan'Antananarivo ihany.

Dia ny vahoakan'Antananarivo ihany angaha no mibaby sy manefa ilay trosa ?
Tsy hita soritra rahateo any anatin'ny Teti-bolam-panjakana 2022, izay vao nolanian'ny Parlemanta.

151 000 000euro x 4300ar = 650 miliara ar

Raha notsinjaraina 20 miliara ar isaky ny Faritra 23 dia mbola 460 miliara ariary ny totaliny. Nefa izao zara raha 2 miliara ar monja no omena ny Faritra.

Efa tsy resahantsika intsony ilay kianja Barea, efa vita izy iny.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.