Mila mianatra toe-karena

  • mercredi, 24 novembre 2021 19:52
  • Super User
  • Tahirin-tsary : Conduite d'eau vaky Jirama Andekaleka

Ny Partenariat Public-Privé (3P), dia ny mpandrahara tsy miankina, na teratany na vahiny no mitondra ny amboniny, na plus-value entina anatsara ilay sehatrasa na ilay orinasa hiarahana mitantana na omena tantanana, fa tsy ny tsara ao amin'ilay orinasa no omena ka alain'ilay mpandraharaha.

Hita izany amin'ny resaka Jirama, nampidirina ny mpandraharaha tsy miankina ampitombo ny vokatra sy famokarana ambonin'ny efa misy sy vokarin'ny Jirama, fa tsy izany no mitranga ankehitriny, fa nomena ny mpandraharaha indray ireo toerana mandeha sy azahoana tombony, dia navelany ireo cas social, ary tsy nitondra amboniny izy.

Toy izay koa ny Air Madagascar, ny Parc Tsimbazaza, ny Secren, ny Sirama, ny hopitaly...

Aoriana kely ka tsy omena ny tsy miankina koa ny ministera satria betsaka ny tsy mandeha, na ny fonctionnaire sy ECD tsy voaloa karama, na ny lalampirenena tsy vita fanamboarana sy fikojakojana ?

Any amin'ny tany mandroso, tsy maintsy misy lalampirenena tsy andoavam-bola (route nationale gratuite), fa ny autoroute, na lalambe mikodana mandoa vola no itambarana ny manao azy, na omena azy hampanofaina mandritra ny 50-80taona.

Toy izany koa ny Baka sy tetezana, tsy maintsy misy ny tsy andoavam-bola, ary mety misy miaraka amin'ny servisy na fanatsarana amboniny (plue-value) ilay omena ny mpandraharaha tsy miankina ka andoavam-bola.

Tsy mila fitondrana miala andraikitra, Etat faible et dimissionnaire, ka izay tsy vitany dia hoe omeo ny vahiny na ny tsy miankina.

Tafandria mandry.
Patrick

(Tahirin-tsary : Conduite d'eau vaky Jirama Andekaleka)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.