41 ny zanabolana efa nampakarin'ny firenena afrikanina

  • mardi, 23 novembre 2021 18:26
  • Super User
  • Sary nindramina

Maro ireo firenena afrikanina no tsy te hanofa zanabolana intsony amin'ny fifandraisan-davitra, ny fanaraha-maso ny tany sy ny toetrandro, ny fampiasana zanabolana amin'ny fandriampahalemana sy ny fambolena ary fiompiana sy ny jono, ka dia ny vaha olana ny mampiakatra zanabolana manokana ho azy.

Afrika atsimo, Algérie, Angola, Éthiopie, Ghana, Kenya, Maroc, Nigeria, Rwanda ary Soudan ankehitriny no efa manana ny azy.

Ny japoney dia manolo-tanana ampiakatra zanabolana afrikanina maimaimpoana raha maka ny nano-satellites any aminy, izany hoe zanabolana vaovao izy ity, kely nefa mora vidy.

Ny Orinasa suédoise AAC Clyde Space, dia efa nanao toeram-pamaharana ao Afrika atsimo ihany koa amin'io teknolojia vaovao io, satria vinaniana ho tafakatra 110 eo ny zanabolana hakarin'ny firenena afrikanina miisa 19 hatramin'ny taona 2024, raha mbola 41 izany zanabolana izany ankehitriny.

Heverina ho tafakatra 10 milliards de dollar USD eo ny tsenan-janabolana hatramin'ny taona 2024 aty Afrika.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Sary nindramina zanabolana Ghanasat I)

Nampakarina voalohany ny 8 aogositra 2017, tao Kennedy Space Center Floride.
Ny injeniera Ghaneanina tao amin'ny Oniversité atsimon'i Ghana, All Nations University no nanao azy.
Ny Nasa no nampakatra azy teny amin'ny ISS (Station Spatiale internationale) tamin'ny sidina Space X, ary teny izy no nandefa an'i Ghanasat I tamin'ny module japoney KIBO hiantsona hiodidina ny tany.

2 taona no nanaovana ny tetikasa, ary nitentina 50 000 dollars no lany. Ny japoney kosa no niantoka ny famatsiana ny akora sy ny fampiofanana.

Izy no satellite voalohany namboarina tanteraka taty Afrika, na dia tsy niala vola aza ny fitondrana Ghaneanina.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.