Lasa aiza ny haba sy hetra alaina amin'ny solika

  • jeudi, 28 octobre 2021 19:59
  • Super User
  • Sary nindramina fampihaingoana

Nahaton'ny ministeran'ny asa vaventy ny fanaovana tolobidy amin'ny famatsiam-bola azo avy amin'ny haba sy hetra avy amin'ny solika, na ny Fonds routier.

Natsahatra daholo avokoa ny asa efa mandeha, ka ananganana komity andrefy sy andanja ny asa vita.

Ireo haba sy hetra :

- Lasantsy 1506ar (37%) amin'ny vidiny amarotana azy 4100ar
- Solika fandrehatra 20ar (1%) amin'ny vidiny amarotana azy 2130ar
- Gazoala 956ar amin'ny vidiny amarotana azy 3400ar

Isaky ny mividy solika 1l ianao izany dia tsarovy fa manome eo no ho eo 1061ar (30%) anamboaran-dalana.

Raha ny solika nojifaina ny taona 2020 :

- Lasantsy 58 269m3 = 58 269 000 litatra
- Solika fandrehitra 13 603m3 = 13 603 000 litatra
- Gazoala 203 592m3 = 203 592 000 litatra

Totaly = 275 464 000 litatra
Hetra sy haba 1061ar (30%)/litatra = 292 267 304 000ariary (80 000 000 de dollars ny taona 2020).

Ny atsasak'io fandaniana io dia eto Antananarivo avokoa.
Ka raha mirefy 200km ny lalana eto andrenivohitra, dia azo heverina andaniana 730 668 260ar isaky ny kilometatra izany ny fanamboarana na fanarenana ny lalana simba rehetra ao anatin'ny 1taona.

Tsy ao anaty kajy ny solika ho an'ny fiaramanidina sy ny sambo, na ny gaz, izay akana haba sy hetra avokoa.

Tafandria mandry ary
Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.