Vidin'entana 4 janoary 2016

  • mercredi, 15 septembre 2021 21:24
  • Super User

Vidin'entana 4 janoary 2016

(Tsiahy lahatsoratra tamin'izay)

Vidin'entana eny an-tsena:

Vaovao ny taona, vaovao ihany koa ny vidin'entana eny an-tsena.

Niakatra 9600 ariary (48 000 fmg) ny iray kilao amin'ny henan'omby.
Haricot vert lasa 2 000 ariary (10 000 fmg) ny kilao.
Ny voankazo tsy misy latsaky ny 2 000 ariary ny kilao.
Ny tongolo sy voatabia dia lasa 200 ariary ny tokony, voany telo eo.
Ny menaka amin'ny tavoahangy mihidy lasa 5 400 ariary (27 000 fmg)
Ny vary no mbola tsy nisy fiovana firy, manodidina ny 1600 ariary (8000 fmg) ny kilao.

5 Taona aty aoriana, niakatra avo roa heny avokoa ny vidin'entana, ary raha tsy misy fiovana ny lamina ara-toekarena, dia hitohy hatrany izany fiakarana izany, ka ho tafakatra avo 3 heny indray izany afaka 5 taona manaraka.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.