Sambo « MV Hassina » fefika tao Toamasina : Solika mavesatra 20 taonina no nesorina tao anatiny

  • lundi, 07 juin 2021 20:21
  • Sary MEDD

Fefika teo amin’ny tora-pasika ao amin’ny Fokontany Analakininina Toamasina ny sambo malagasy, « MV Hassina » ny 26 aprily taona 2021. Faharatsian’ny andro no voalaza fa niteraka ny loza.

Toerana saro-pady no nahafefika ilay sambo noho izy tsy lavitra ny fadin-tseranana sy toeram-panjonoana, ary toeram-pihariana.

Nidina teny ifotony ny sampandraharaha misahana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao amin'ny DREDD Atsinanana sy ny OLEP ary natao avy hatrany ny fanesorana ny solika mavesatra milanja 20 taonina ary napetraka amin’ny toerana azo antoka.

Momba ilay sambo kosa dia nanome toromarika ny tompon-tsambo ny hanesorana azy ny OLEP noho izy mbola mety hiteraka loza ho an’ny tontolo iainana, ary koa noho izy tafiditra anatin’ny toerana hanatanterahana tetikasa « Miami » izay efa andalam-panatanterahana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.