Lalana RN33 Bis : Miantso vonjy ny vahoakan’Ambatoboeny

  • lundi, 16 novembre 2020 14:38
  • Sary nomena

Tapaka sahady ny RN33 Bis, taorian’ny orana in-droa nilatsaka ny herinandro lasa iny. Vao miandoha anefa ity ny fahavaratra dia fijaliana no iainan’ny vahoakan’Ambatoboeny, amin’ny lalana.

Eo amin’ny PK 12 Soaniaviana no mikatso ny fiara.
Ny takaitra navelan’ny ranobe teo aloha mbola eny, ary vao mainka aza potika.

Tsiahivina fa nampanantena ary nilaza imasom-bahoaka ny tsy maintsy hanamboarana an’io lalana Ambatoboeny-Andranofasika io, ny Praiminisitra Ntsay Christian raha tonga tao Ambatoboeny niaraka tamin’ireo delegasiona mafonja, ny 25 martsa 2019.

Miandry ny fanatanterahana izany ny vahoaka aty an-toerana, izay mahatsiaro mijaly noho io faharatsian-dalana io, satria tena miantraika amin’ny toe-karena sy sosialin’ny mponina ary koa ny fandriampahalemana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.