Maromandia (RN6) : Zazalahy kely, 8 taona, maty nofaohin’ny taxi-brousse teo ampiampitana arabe

  • dimanche, 15 novembre 2020 19:57
  • Sary nomena

Nitrangana loza namoizana ain’olona teo amin’ny PK 360+11 lalam-pirenena faha-6, sampanana Maroakora 2 Fokontany Antanandava 2, Kaominina Maromandia, Distrika Analalava, ny marainan’ny 8 novambra lasa teo.

Zazalahy kely, 8 taona, no voadonan’ny taxi-brousse iray manao zotra Sambava-Antananarivo, raha niampita arabe.
Tsy tana ny ain’ilay zaza teny an-dalana hiazo an’Antsohihy saika hitsaboana azy.

Fandehanana mafy no voalaza fa niteraka ny loza.
Tsy nisy naninona ireo mpandeha miisa 45 nentin’ilay fiara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.