Iaritsena – Ambalavao : Trano 27 tafo sy entana mitentim-bidy 10 tapitrisa Ariary levon’ny afo

  • dimanche, 15 novembre 2020 19:23
  • Sary nomena

Nitrangana haintrano tao Malalia Fokontany Antsakaviro, Kaominina Iaritsena, Distrika Ambalavao ny tolakandron’ny 08 novambra lasa teo.

Trano iray tao afovoan-tanàna no niaingan’ny afo, ary nalaky niitatra noho ny rivotra nifofofofo. Vokany, trano niisa 27 no rotiky ny afo, namela traboina 100 eo.

Tombanana eo amin’ny 10 tapitrisa Ariary ny tetimbidin’ireo entan’ny olona lasa lavenona.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.