Ambotompoina- Antanifotsy : Dahalo efa tratra mbola nidaroka zandary, maty voatifitra

  • dimanche, 15 novembre 2020 19:16
  • Sary ZP

Voasambotry ny Fokonolona tao Ambohijafy Kaominina Ambotompoina, Distrika Antanifotsy i Lerisy, dahalo rain-dahany amin'ny karazana halatra maro, ary efa ela ny nikarohana azy noho ny fandikan-dalàna vitany.

Natolotry ny Fokonolona ny Zandary tany an-toerana io dahalo io, ary nentina haingana niakatra tany Antanifotsy mba ho fiarovana ny ainy.

Nony tonga tao Ambohikely, Fokontany Ambodiharana, Kaominina Anjamanga, Distrika Antanifotsy anefa, raha teo am-panamboarana moto ny Zandary izay nitondra azy, sady niandry ireo zandary mpiara-miasa aminy avy any aoriana dia nanararaotra ilay dahalo naka vato ka nidaroka ity Zandary tamin'ny lohany.

Soa ihany fa nanao aroloha, izay vaky mihitsy noho ny daroka vato, ka tsy naninona.

Nanararaotra nitsoaka ilay olon-dratsy nandritra izany fotoana izany.

Nenjehan'ireo Zandary tonga tao aoriana izy, nantsoina mafy hijanona nefa nanohy hatrany ny fandosirany. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana ny mpitandro ny filaminana, hampijanonana azy. Maty voatifitra tao anatin’izay ilay dahalo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.