Alliance Voahary Gasy : Hiatrika fivoriambe fanao isan-taona

  • vendredi, 13 novembre 2020 11:27
  • Sary nindramina

Hiatrika ny fivoriambe fanao isan-taona ny vovonam-pirenena ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana (Alliance Voahary Gasy na AVG) eto Madagasikara anio zoma 13 novambra tontolo andro.

Ao amin'ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray ao Tsaralalana, izay tsy lavitry ny lapan'ny tanànan'Analakely, no hanatanterahana izany.

Ny fahatsapana fa tsy mety ny mitazam-potsiny manoloana ny fandringanana mihoapampana ny ala sy ny zavamaniry ary ireo biby tsy manampaharoa noho ny savoritaky ny taona 2009 no nahatonga ireo Malagasy mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ho nifanatona haingana ka nanangana ny AVG.

Feno 11 taona ny nijoroan’ity firaisamonim-pirenena, izay sarotiny dia sarotiny tokoa amin’ny fiarovana sy ny fitantanana ny harena voajanahary eto Madagasikara ity.
Nankalaza ny faha-10 taona nisiany izy nanomboka tamin’ny taon-dasa, ary nitohy tamin’ity taona 2020 efa madiva hivalona ity.

Tsy tanteraka anefa ny ankamaroan’ny zava-kinasa noho ny antony iaraha-mahalala nateraky ny fisian’ny valan’aretina Covid-19.

Maherin’ny 30 ny isan’ireo fikambanana mivondrona ao amin’ny AVG, ary misy hatrany ireo tonga manatevin-daharana.

Ny fivoriambe ihany no fotoana fandraisana ny fanapahan-kevitra mikasika ireo mpikambana vaovao.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.