Fifamoivoizana: Maro ireo fiara tsy ara-dalàna na lany paikandro mivezivezy eny amin’ny arabe
- dimanche, 27 septembre 2020 19:25
Nanatanteraka hetsika fisavana ireo fiara mitondra ny laharana "WW", sy ireo fiara mitondra laharana vahiny, ary ireo fiara efa mitondra laharana gasy ny Foibe fitsarana fiarakodia, niaraka tamin’ny Polisim-pirenena ny 21 ka hatramin'ny 25 septambra 2020 teo.
Nahatratra 4 587 ny isan'ireo fiara voasava tamin'izany.
Araka ny tatitra nataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia dia 1 121 no isan'ireo mitondra ny laharana WW, 985 ny isan'ireo mitondra laharana vahiny, ary 2 481 ny isan'ireo fiara mitondra laharana malagasy voasava nandritra io fotoana io.
430 tamin'ireo fiara mitondra laharana "WW" voasava no tsy nanana ny antotan-taratasy araka ny tokony ho izy.
238 tamin’ireo fiara mitondra laharana vahiny voasava no tsy nanana ny « réception technique » na fandraisana ara-teknika.
107 tamin’ireo fiara mitondra laharana malagasy 2 481 voasava no efa lany paikandro. 542 no nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika hafa.
Tao anatin'izay dimy andro nanatanterahana ny hetsika fisavana izany dia nisy fiara niisa 1 284 nanatona ny foibe fitsarana fiarakodia, nananteraka ny fanaovana « réception technique ».
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.