67ha: Mpanendaka mitam-piadiana lavon'ny balan'ny Polisy

  • dimanche, 27 septembre 2020 18:57

Nanendaka lehilahy saika hanatitra, avy eo nanendaka vehivavy andeha hivavaka indray, ka lasa ihany koa ny vola sy ny Baiboly. Telo lahy nitondra sabatra no nanendaka tsy nahalala andro alahady tetsy 67ha.

Tsikaritry ny Polisy nanao fanamiana ny asa ratsy nataon’izy ireo. Niditra an-tsehatra avy hatrany io nanenjika azy ireo vantany vao nahita ilay sabatra sy ilay vehivavy voaendaka.

Saika hampiasa ireo fitaovana teny aminy moa ireto olon-dratsy ka voatery nampiasa hery ny Polisy, ary voan'ny bala teo amin'ny takibany ny mpanendaka iray. Noho ny ratra nahazo ity mpanendaka iray voatifitra ity dia tsy tana intsony ny ainy.

Tafaporitsaka ireo mpanendaka roa hafa namany, ary mbola mitady azy ireo ny Polisy amin'izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.