Ambovombe Androy: Delegem-panjakana roa voarohirohy amin’ny famotsian’omby

  • samedi, 27 juin 2020 18:58

Omby miisa 94 no tsikaritry ny Zandary nandritra ny fisafoana tsenan’omby natao teto Ambovombe ny 22 jona 2020 fa tsy ara-dalàna ny taratasy nasehon’ny mpivarotra omby teto amin’ny fivarotan’omby.Nampidirina « fourrière », ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary.

Tao anatin’izany no nahitana FIB (Fiche Individuelle de Bovin) izay efa voafeno sy voasonia mialoha, nefa ny omby hosoratana eo sy ny mividy ilay omby mbola tsy fantany akory. Delegem-panjakana miisa roa no voarohirohy amin’ity famotsian’omby ity, ary natolotra ny Fampanoavana eto Ambovombe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.