Ambohipo – Manandriana: Narian’ny dahalo ny basiny, aleony nitsoaka nanavotr’aina

  • samedi, 27 juin 2020 18:11

Nanaovan’ny Zandary avy amin’ny brigady Manandriana sy ny avy ao amin’ny « Poste Avancé » Talata Vohimena nampian’ny andrimasompokonolona Lambamena angaredona ny fandravana andian-dahalo nitoby tao amin’ny kizo Antety Zanadambo Kaominina Ambohipo, Distrika Manandriana araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo.

Teo ampandrahoana sakafo ireo dahalo no tonga ny Zandary, ny atoandron’ny 24 jona 2020. Nanapoaka basy ireo dahalo vao nahatazana ireo Zandary nanantona. Nisy ny fifampitifirana. Vaky nandositra any anaty ala kesika ireo dahalo ka tavela teo an-toerana ireo fitaovam-piadiana teny an-tanan’izy ireo, nahitana basy mahery vaika sy bala, antsy lava ary « plaque solaire ». Tsy nisy tohina ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy Lambamena.

Ity no basy mahery vaika faha-12 azon’ny Zandary hatramin’ny janoary 2020.

 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.