Fandriampahalemana: Mpimasy miisa 25 no efa tratra manerana an'i Madagasikara ka ny 15 maty voatifitra

  • samedi, 27 juin 2020 16:49

Miisa 25 izao ireo Mpimasy mpampandro dahalo no efa tratra manerana an'i Madagasikara, 15 maty voatifitra fa nikiry nandositra raha vao nisy irika nahafahany nanao izany ka anisan’ireo i Dony mpimasy mpanao ody bala, izay vaosambotra niaraka tamin’ny vadiny tao Ambohitrarivo Fokontany Ankaiafo Sud, Kaominina Antanimenabaka, Distrika Andilamena, nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary ny 22 jona 2020 lasa teo. Nisy basimborona sy bala tratra niaraka taminy ankoatra ny ody gasy.

Dony no mpimasy faha-13 voasambotra, ary faha-6 tamin’ireo maty voatifitra tao anatin’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandarimaria Ambatondrazaka hatramin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity.

Nisy olomboafidy voalaza fa niaro sy niray tsikombakomba tamin’ireo mpimasin'ny dahalo ireo, ka vao maika nampirongatra ny asan-dahalo tamin’iny Distrika Andilamena iny.

Nahazo mari-pankasitrahana sy « prime de bravoure » ireo Zandary nahasahy nisambotra Mpimasy mpampandro dahalo.

(Sary ZP)

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.