Farafangana: Voaheloka 2 taona an-tranomaizina ilay zandary nanakorontana mpitandro ny filaminana nisava aro-tava

  • vendredi, 26 juin 2020 19:36

Voaheloka 2 taona an-tranomaizina ilay zandary nanakorontana an'ireo mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsika fisavana ireo izay tsy nanao aro-tava ny 31 mey teo. Fandrahonana ho faty sy fitondrana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana no nitsarana azy ny 11 jona teo, ka ny 25 jona no navoakan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana ny didy manameloka azy.

Raha tsiahivina dia tratra tsy nanao aro-tava ny vadiny ka tsy nety nanatanteraka TIG (Travaux d’Intérêt Général) ho saziny dia hamafa lalana ; ka teo no niandohan'ny disadisa.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.