67ha: Jiolahy roa mitam-basy sy antsy lavalela voasambotry ny Polisy

  • lundi, 08 juin 2020 20:22
  • Sary nindramina

Fanomezam-baovao avy amin’olontsotra nahatsikaritra ny fihetsik’ireto lehilahy roa nihaodihaody tamin’ny scooter teny manodidina no nidinan’ny Polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahaefatra Anosy, avy hatrany teny an-toerana.

Nisy ny fifanenjehana, ka tamin’izany no nampidaraboka lavo tamin’ny tany ny moto nentin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ary ny Polisy nanao fanamiana sivily no tonga aloha raha nikasa hamoaka basy ilehio. Efa voahodidiana tsy afa-nitsoaka ny faharoa.

Nahitana basy voafahana bala telo tany amin’ilay jiolahy iray raha antsy lavalela sy scotch ny tamin’ny faharoa. Voalaza fa efa mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra izy roalahy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.