Mpiasa avy any Koweit: Tonga teny Ivato io hariva io

  • lundi, 08 juin 2020 19:34

Teratany Malagasy niasa tany Koweit miisa 176 miampy zaza iray no tonga an-tanindrazana androany. Tamin’ny enina ora hariva mahery no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny fiaramanidina manokana nitondra azy ireo.

Efa nandalo fitiliana izy ireo ary manana fanamarinana fa salama no niala tany Koweit. Nisy na izany aza ny fakana hafanana azy ireo teo ampahatongavana teny Ivato, ary fiara be miisa valo no efa voaomana hiondra azy ireo amin’ny toerana voatokana hanokanam-ponenana azy ireo mandritra ny 14 andro, hanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo.

Misy amin’ireo no tapitra fifanarahana arak’asa tany Koweit, misy ny tapitra « contrat » ary ny sasany nanana olana tamin’ny mpampiasa azy.

Nanamora ny fampodiana azy ireo an-tanindrazana ny fanjakana koweisiana nifarimbona tamin’ny OIM (Organisation internationales pour les migrations).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.