Vohémar: Nahazo fahafahana vonjimaika ilay teratany sinoa tratra saika hanondrana hazo sy holatra

  • lundi, 11 mai 2020 20:42

Hazo fisaka miisa 353, « chevron » miisa 205, « traverse » miisa 156 ary gony 125 misy holatra saika aondrana no tra-tehaky ny ekipan’ny cantonnement Vohémar nandritra ny fanaraha-maso tao amina trano fitehirizana an’ny teratany sinoa iray tao Ampasy, ny 04 may 2020 teo.

Natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha ity teratany sinoa ity ny 07 may 2020, taorian’ny famotorana natao azy, ary nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana manaraka ny 20 may 2020 ho avy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.