Vyvato Rakotovao: Olona nitsoaka avy any Toamasina no nampiditra valan’aretina taty Vakinankaratra

  • lundi, 11 mai 2020 19:52
  • Sary: Governora Faritra Vakinankaratra

Nanatanteraka valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany androany ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa iray tamin’ireo fianakaviana nitsoaka avy any Toamasina no nitondra ny tsimokaretina Coronavirus voamarina fa nisy teto Antsirabe.

Noho ity renim-pianakaviana ity sady mbola mampinono no mitondra vohoka dia nampiakarina any amin’ny hopitaly Ambohimiandra Antananarivo ity tsy salama ity, hoy ny Governora ary nampiarahana aminy, ireo vady aman-janany miisa 3.

Misy ny fanaraha-maso ireo olona sy fianakaviana miisa 14 nivantanan’izy ireo teny Ambohimena - Antsirabe ka efa natokam-ponenana eny amin’ny Hopitaly Atsimo.

Mitohy ny fanadihadiana ara-pahasalamana, sy ara-pitsarana mahakasika ity raharaha ity araka ny voalazan’ny Governora.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.