Lakana rendrika tao Toliara II : Fahavesarana tafahoatra sy fahasimban’ny hazo no nitera-doza

  • lundi, 07 juin 2021 20:43
  • Zakaria

Lakana iray mpitatitra olona no rendrika tany an-dranomasina ny sabotsy 5 jona 2021 tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, raha niainga tany Salary ho any Toliara.

32 ny mpandeha tao anatin’ilay lakana niampy ny mpanamory 2 tamin’io fotoana io.

Namoy ny ainy vokatry ny loza ny 3 tamin’ireo, ary 3 mbola karohina amin’izao fotoana izao.

Mpandeha miisa 28 voavonjy, anisan’izany izy roalahy mpanamory ny lakana.

Vesatra tafahoatra no voalaza fa anisany niteraka ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’ny APMF.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.