Covid-19 : Manomboka amin'ny alatsinainy ny fitsinjarana ny vakisiny ho an'ny Amerikanina

  • dimanche, 13 décembre 2020 18:10
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nivoaka ny vakisiny amerikanina Pfizer/BioNTech, entina miaro amin'ny Covid-19, ka hatomboka rahampitso alatsinainy 14 desambra ny programa fanaovana vakisiny goavana any Amerika. Ka ireo mpitsabo no voalohany hisitraka izany, ary izy ireo indray no hisahana ny fanaovam-bakisiny ireo marefo aloha, toy ireo be antitra sy manana fahasalamana marefo, izay vao miditra amin'ireo Amerikanina sy ireo mponina maharitra any Etats-Unis mihoatra ny 16 taona.

Tafakatra 90% ny fazahoana antoka ity vakisiny ity raha ny fikarohana nataon'ireo mpikaroka. Nanafatra 100 tapitrisa dozy ny Amerikanina, taorian'ny Royaume-Uni, Canada, Mexique, Bahreïn izay efa nanome alalana any aminy hampiasa ity vakisiny ity.

Mitana ny lohalaharana i Etats-Unis, eo alohan'ny Brezila, amin'ny isan'ny matin'ity aretina ity, 295 000 ny namoy ny ainy tamin'ireo 15 tapitrisa tratran'ny aretina.Tsy latsaky ny 200 000 isan'andro ankehitriny no mbola voa any Etats-Unis, ary 3 000 isan'andro no mianjera amin'izany.

Anisan'ny fanapahan-kevitra mbola raisin'i Filoha amerikanina Donald Trump moa ity famatsiana vakisiny ny amerikanina ity, satria dia nolazainy toy ny "Sokatra lehibe miadam-pandeha" loatra ny sampam-pikarohana ara-pahasalama amerikanina ka tokony hiala rehefa tsy mahavita hoy izy.

Ny laboratoara amerikanina Pfizer sy ny laboratoara alemana BioNTech dia nanambara ny 09 novambra fa mahatratra 90% ny fahafaham-piarovana ananan'ity vakisiny ity amin'ny aretina Covid-19.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.