Tambavy CVO: Notolorana 10 000 isa amin'ilay misoroka sy manasitrana ho an’i Émirats Arabes Unis

  • mercredi, 03 juin 2020 22:21
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nigadona teny amin'ny BANI Ivato, tamin'ity Alarobia 3 jona ity, ny fiaramanidina manokana avy any Émirats Arabes Unis mba haka ny fanomezana Tambavy CVO miisa 10 000 amin'ilay misoroka sy manasitrana natolotry ny fitondram-panjakana Malagasy ho azy ireo.

Ho fanampiana an'i Madagasikara kosa dia nanolotra fitaovana fiarovana ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana toy ny « sur-blouses », « gants », aro-vava, « sur-chaussures » ny Émirats Arabes Unis. Nanolotra fitaovam-pitiliana ny Covid-19 TDR miisa 25 000 ihany koa izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.