Vavatenina: Zandary iray voarohirohy amin’ny halatra lavanila tsy matoy

  • mercredi, 03 juin 2020 21:52
  • Zakaria

Ny fahitana ny moto nentiny, tra-tehaky ny Fokonolona tao Ambodivoanio, Distrika Vavatenina no itazoman’ny olona azy sy ireo vavolombelona nahita maso azy ho mitsikombakomba amin’ny halatra lavanila.

Zandary kilasy voalohany miasa ao Vavatenina ity voarohirohy ity. Namoahana taratasy fanenjehana izy, hitohizan’ny famotorana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.