Lakandranon’ny Pangalana: Nahetsika ny helikôptera hanara-maso ireo mpandeha antsokosoko avy any Toamasina

  • dimanche, 24 mai 2020 22:59
  • Zakaria
  • Sary: Fiarovam-pirenena

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny zava-misy amin'iny lakandranon’ny Pangalana iny tamin'ny helikôptera ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotonirina Richard ny sabotsy 23 may, taorian’ny nahatratrarana mpandeha antsokosoko nandeha lakana avy any Toamasina, Faritra Atsinanana, izay voarara tsy azo idirana sy ivoahana noho ny Coronavirus, hiazo ny faritra Vatovavy Fitovinany nanaraka iny lakandranon’ny Pangalana iny andro vitsivitsy lasa izay

Nanaraotra nijery ny zava-misy manoloana ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny Covid-19 ao Ambalakindresy Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony sy Fandriana Faritra Amoron'i Mania ihany koa ny tenany io andro io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.