Dokotera maty tao Toamasina: Nanokatra fanadihadiana manokana ny Fanjakana

  • dimanche, 24 mai 2020 20:53
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Manokatra fanadihadiana manokana ny fanjakana hamantarana ny antony marina tena nahafaty ilay mpitsabo iray tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra Toamasina androany maraina.

Nisy androany ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra nanapahana izany sy nandraisana ny fepetra vaovao hanamafisana ny ady atao amin’ny fihanaky ny Coronavirus ato amin’ny faritra Atsinanana:

1- Hisy ekipa manokana (Brigade spéciale) hanampy ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana alefa manokana avy aty Antananarivo.

2- Hisy laboratoara manokana hapetraka ao Toamasina hanafainganana ny fanaovana fitsirihana ao Toamasina

3- Ampitomboina ny fitsirihana faobe any Toamasina hatao mifanaraka amin’ny « tracing contact » mbola hotanterahana

4- Hamafisina ny fampitaovana toy ny ambulances 04, gels hydroalcooliques, EPI, tambavy CVO mba hanana amby ampy mihoatra ny filàn’ny hopitaly mandray marary momba ny Covid-19 ny Hopitaly Manarapenitra any an-toerana

5- Ampitomboina ny toerana ahafahana mandray ireo olona rehetra marary sy mitondra ny otrik’aretina any Toamasina, ary arahana akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’izy ireo.

6- Arahana akaiky ny fampiharana ireo fepetra rehetra napetraka manoloana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity.

7- Apetraka ny ekipa manokana (équipes dédiées) hanao ny fitsaboana manokana amin’ny CVO sy hanao ny fitiliana tsy maintsy atao aorian’ny fitsaboana, ahafahana manara-maso ny fahasitranan’ny marary.

8- Atao ny fanadiovana sy fanaovana « désinfection » ny toerana rehetra ao Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.