Angletera: Hanenjika fitiliana 200 000 isan’andro hifehezana ny fihanahan’ny Coronavirus

  • lundi, 11 mai 2020 20:31
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Firenena isany voadona mafy amin’ny valanaretina Coronavirus i Angletera. 31 855 no efa namoy ny ainy noho ity tsimokaretina ity hatramin’ny 23 marsa nampiharana ny fihibohana any an-toerana.

Amin’ny fiandohan’ny volana jona any vao azo heverina ny hisokafan’ny toeram-pivarotana sy ny sekoly ambaratonga fototra, hoy ny praiminisitra Boris Johnson, ary hanenjika fitiliana 200 000 isan’andro, hatramin’ny faran’ny volana, i Angletera hifehezana ny fihanahan’ity valanaretina Coronavirus ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.