Fifamoivoizana: Faritra no resaka fa tsy tanàna Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina

  • lundi, 11 mai 2020 20:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Somary nanahirana ny fampiharana ny fepetra momba ny fifamoivoizana nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CCO. Raha ny voalaza dia Faritra no resaka, izany hoe: raràna ny fidirana sy fivoahana ny Faritra Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Antsinanana ho an'ny daholobe (Olon-tsotra mandeha tongotra, fiaran'olontsotra, moto...), fa tsy tanàna Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina.

Tsikaritra ihany tamin’ny toerana sasany teto an-drenivohitra fa voasakana na olona hamonjy fodiana aza, na dia teo aza ny fidinana ifotony nataon’ireo lehibe teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy nanome toromarika ireo mpitandro filaminana, nampahafantatra fa foana ny fahazoan-dalana manokana ; malalaka ny fivezivezena ao anatin'ireo faritra hatramin'ny 01 Ora tolakandro fa manaja ny fepetra rehetra izay napetraka.

Nohamafisin’ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana fa taxi-be afaka miasa hatramin'ny 03 Ora tolakandro; ny kamiao izay mitondra entana rehetra dia afaka mivezivezy manomboka amin'ny 03 ora tolakandro ka hatramin'ny 11 ora alina. Ary afaka mivoaka sy miditra manomboka amin'ny 04 ka hatramin'ny 06 ora maraina. Toy izany koa ny kamiao izay mitondra legioma dia afaka miditra amin'ny 04 ka hatramin'ny 06 ora maraina;

Ny fiara mitondra marary manao vonjy aina sy mitondra razana dia afaka miampita ny sakana. Ireo izay tsy manaraka ny fepetra dia averin-dalana avy hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.