Coronavirus: Firenena miisa 30 no voa, voatery nahemotra ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena Sinoa

  • lundi, 24 février 2020 20:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tafakatra 2592 ny namoy ny ainy noho ny Coronavirus any Chine. Dimy ny maty any Italia, izay firenena Eoropeana voalohany ahitana olona betsaka matin’io Coronavirus io.

Nanapa-kevitra ny fanjakana any Chine, tamin’ity alatsinainy 24 febroary ity, fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Entim-bahoaka sinoa, raha tokony hisokatra amin’ny 5 martsa toy ny fanao isan-taona nanomboka tamin’ny 1985.

Namoaka fepetra ihany koa ny fanjakana sinoa, fa tsy azo atao ny mivarotra sy mihinana biby dia, « animaux sauvages », hisorohana ny fihanak’ity valanaretina ity.

Firenena miisa 29 ivelan’i Chine no ahitana ity valanaretina ity.

Fiaramanidina iray an’ny kaompania italiana Alitalia no nogiazana tsy afa-mihetsika vao nidina tao Maorisy androany. Niainga androany tao Rome ity fiaramanidina ity, mitondra mpandeha 300 eo, ka avy amin’ireo faritra avaratr’i Italia, toa an’i Lombardie sy Vénétie, izay iparitahan’io Coronavirus io ny 60 mahery amin’ireo mpandeha ireo, ka izay no voalaza fa nandraisan’ny fanjakana maorisiana fepetra tsy namela ireo mpandeha ireo nivoaka ny fiaramanidina, araka ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny italiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.