Morondava: Dibo-drano ny faritra iva

  • lundi, 24 février 2020 18:24
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Morondava

Niakaran’ny rano ny tanàna sasany teto an-drenivohitry ny Faritra Menabe, vokatry ny fifanojoan’ny reniranon’i Kabatomena amin’ny fiakaran’ny ranomasina omaly hariva. Voakasik’izany ny Fokontany Ampasy, Tanambao, Ankisirasira Nord, Ankisirasira Sud, Andakabe Est sy Andakabe Ouest.

Efa nisy fihenany ny rano androany atoandro, saingy ahiana ny mbola hiverenan’io rano manondraka faritra iva io amin’ny fiakaran’ny ranomasina anio hariva.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.