Kitra – Barea: Naratra nandritra ny fanazarantena i Anicet Abel, kapiteny

  • dimanche, 27 septembre 2020 18:58
  • Sary nindramina

Tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea sy Luxembourg, i Anicet Abel, kapitenin’ny Barea. Naratra nandritra ny fanazaran-tena nataony tao amin'ny klioba izay ilalaovany ity farany.

Maharitra eo amin'ny telo herinandro eo ho eo ny fitsaharana tsy ahafahany miakatra eny ambony kianja.

Tsy ho eo i Anicet Abel amin'ny fampivondronana izay hatao ao Frantsa amin'ny voalohandohan'ny volana oktobra io. Ho tafaraka amin'i Barea kosa izy amin'ny fihaonana amin'ny Côte d'Ivoire.

Noho ny fahatahorana an'ilay Covid-19 no voalaza fa nahatonga ny safidy hanatanterahana ilay fampivondronana any Luxembourg. Sady mahay mandray olona ihany koa, no mampihena ny vola mivoaka avy amin'ny fanjakana Malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.