Fampandrosoana ny baolona kitra: Nisy fikaonandoham-paritra ho fakan-kevitra natao teto Antsirabe

  • samedi, 25 janvier 2020 22:20
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tontosa androany sabotsy 24 janoary, tao amin’ny Tranompokonolona Antsirabe ny fikaonandoham-paritra ho fakan-kevitra hampandrosoana ny baolona kitra eto Madagasikara, anjaran’ny ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra. Nitarika ny delegasionan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina Kitra nanotrona izany teto an-toerana ny filohany, Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.

Ireo misehatra ny baolina kitra no nasaina tamin’ity, nahitana toeram-panofanana sy ny sekolin’ny baolina kitra eto Vakinankaratra, ireo seksiona niisa 7, ary ireo klioba sy mpitantana klioba.

Nalalaka ny ady hevitra sy ny tolo-kevitra nifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany ary afaka nametraka fanontaniana sy samy nitondra ny heveriny ho entina hampandrosoana ny kitra ny rehetra. Noraisin’ny Federasiona avokoa ireo hevitra nivoaka.

Afa-po tamin’ny hetsika ny ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra mpikarakara ny fikaonandoha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.