Tolo-tanana ho an’ny sahirana : Nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Penta Daiho Joint Venture

  • lundi, 07 juin 2021 20:37
  • Sary nindramina

Tonga nanolotra fanampiana tao amin'ny CRCO Faritra Atsinanana ny orinasa Penta Daiho Joint Venture ao Toamasina ho fanohanana ny vahoakan'i Toamasina sy ho fanampiana ireo olona tena sahirana sy voa mafy vokatry ny valanaretina Covid-19.

Nandray izany tao Toamasina, androany 7 jiona 2021, ny Governoran'ny faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore, izay mitarika ny CRCO Faritra Atsinanana, nontronin'ireo mpiara-miasa aminy.

Baoritra 140 isa, izay samy misy vary fotsy makalioka 5kg, menaka fahandro 1litatra, siramamy, sira, paty fahandro masaka eo no eo, savony, ranontsavony fanasana tànana famonoina mikraoba, ary aro vava sy orona azo sasana ireo fanampiana natolotry ny Penta Daiho Joint Venture.

Tsiahivina fa ny Penta Daiho Joint Venture ao Toamasina dia isan'ireo orinasa misahana ny asa fanitarana ny seranantsambon'i Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.