Helo-dranon’Ambaro : Voasokajy ho faritra mando faha-21 eto Madagasikara

  • dimanche, 15 novembre 2020 18:14
  • Sary nomena

Nosokajiana ho isan’ireo faritra mando anatin’ny lisitra Ramsar ny ala honko ao amin’ny helo-dranon’Ambaro, amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Madagasikara, manamorona ny Canal de Mozambique, eo anelanelan’i Nosy Faly sy Port Saint-Louis.

Velaran-tany 54 000 hekitara no misy azy, ary ahitana karazan-javamananaina maro, toy ny zavamaniry sy ny biby izay tsy fahita raha tsy ao an-toerana, ary ny ankamaroany dia ahiana ho lany tamingana.

Ny 44 amin’ireo karazam-borona 99 hita ao amin’ny helo-dranon’Ambaro dia azy manokana, ary tsy hita raha tsy ao aminy ihany. Maro amin’izy ireo anefa no ahiana ho lany tamingana toy ny Ankoay, ny Héron de Humblot, ny Fiandry voditatatra, ny Sarcelle de Bernier ary ny vanga de Van Dam.

Itoeran’ny varika ihany koa ity helo-drano ity. Isan’izany ny lémur noir, hapalémur gris occidental ary ny microcèbe de Sambirano.
Tsy latsa-danja ihany koa ireo karazan-trondro toy ny mâchoiron malagasy, sardinelle à queue noire, ny poisson-verre de Commerson.

Tena mampiavaka ity helo-drano ity ny ala honko. Misy karazany roa tena miavaka ao, dia ny Avicennia marina, sy ny Sonneratia alba.

Ny honko dia miantoka ny fiveloman’ireo mponina ifotony, satria avy aminy no ipoiran’ny trondro, izy ihany koa no mamatsy rano ho an’ny fambolena sy hampiasain’ireo mponina.

Ny honko ihany koa dia mihazona karbônina betsaka ary manampy amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro noho izy miaro ny sisin-tany amin’ny fiakaran’ny ranomasina sy ny loza voajanahary.

Mitontaly 2 147 910 hekitara izany ankehitriny ny velaran’ny faritra mando misy eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.